<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>S.W. Martin</author>
<hymn_number>437</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Ry Jeso Kristy Tompo,
 O ! ampio ny olonao !
 Ampianaro mba hanompo
 Sy hanao ny sitrakao ;
 Malemy aho re,
 Ka omeo ny herinao,
 Tsy hivily, tsy hania,
 Fa hanara-dia Anao.
 O ! vonjeo, o ! vonjeo,
 Ka tantano sy jereo ;
 Aza afoy izahay,
 Fa Hianao no Avotray.

[V2]
 Ny foko mba diovy,
 Ry Mpamonjy lehibe !
 Ka ambeno sy arovy,
 Sao dia very aho re,
 Iriko indrindra koa
 Ny hitombo sy hamoa,
 Ka ny voka-tsoa rehetra
 Ho Anao, ry Jeso ô !
 O ! vonjeo, .. sns.

[V3]
 Mba raisonao, ry Tompo !
 Ho Anao tokoa izao
 Izay ananay rehetra,
 Ka anarano fo izao,
 Fa maty Hianao
 Noho ny fitiavanao,
 Ka tsy hainay hadinoina
 Ny fitiavanao anay :
 O ! vonjeo, .. sns.</lyrics>
<title>Ry Jeso Kristy Tompo FFPM437</title>
</song>